Amoron’i Mania

> Tsy mitsahatra misondrotra ny vidim-bary


  • Zoma 13 Septambra 2013

“Raha mitohy izao fiakaran’ny vidim-bary izao dia hanafika aty Amoron’i Mania ny mosary”, hoy ny raim-pianakaviana iray nividy fotsimbary 10 kapoaka mitentina 4.000 Ariary tao an-tsenan’i Fandriana ny alarobia 11 septambra teo. Efa tafakatra 400 Ariary ny fotsimbary iray kapoaka ao an-toerana, eo anelanelan’ny 360 Ariary hatramin’ny 390 Ariary kosa izany ao Ambositra.

 

Anisan’ireo Faritra mpamoka-bary eto Madagasikara i Amoron’i Mania noho ny fananany ny lemak’i Bemahazemona sy Imadiala ary ny tanimbary mitomandavana ao Andina, Ivony ary Ambositra. Miaka-bidy hatrany ny vary eny an-tsena, tsy maintsy hiatrika ny fampidirana mpianatra anefa ny tsirairay. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpandraharaha ara-bary ao Ambositra dia vokatry ny fahamaroan’ireo mpanangom-bokatra be loatra nanangona ny vary tamin’ny volana mey sy jona lasa teo no nahatonga izao fiakarana izao ka ny vary tahiry sisa no amidin’ny olona. Nanampy trotraka izany ny fanaovan’ny ankamaroan’ny olona famadihan-drazana nandritra ny volana jolay sy Aogositra teo ka maro no nanao fandaniana betsaka. Maro amin’ireo tantsaha any ambanivohitr’Amoron’i Mania amin’izao fotoana izao no efa mihinana haninkotrana toy ny vomanga sy mangahazo ary katsaka fa efa tsy laitra vidina ny vary eny an-tsena. Efa mihanika ny 450 Ariary izao ny vary fotsy iray kapoaka any amin’ny Kaominina Miarinavaratra, Distrikan’i Fandriana iny. Ahina hiakatra 500 Ariary izany ato anatin’ny roa na telo volana. Miha sarotra ny fiainana, hoy ny maro ka betsaka ny mitaraina etsy sy eroa. Maniry ny hisian’ny fifidianana maika hampilamina ny firenena ny ankamaroan’ny vahoaka ao Amoron’i Mania amin’izao fotoana izao. 

 

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kaominina
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Andranomiely Sud

  • Ampatakamaroreny – Mandritsara
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Olona 20 voasambotra,

  • Sommet Afrique–France
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Hiazo an'i Nairobi ny Filoham-

  • Tsiahy ny ady lehibe faharoa
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Manamafy toerany eto ny Frantsay sy Rosianina

  • SEHATRY NY ANGOVO
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Maro ireo resy lahatra fa vahaolana ny "Jiro Solaire"

  • Valanjavaboaharin'i Makay
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

"Mitahiry harena voajanahary

Hijery ny tohiny
FTT