Hifarana amin’ity anio ity ny fanadinana andiany faharoa ho an’ireo mpiadina bakalôrea sokajy teknika miisa 10.293 manerana ny Nosy.
Niato kely ny fanadinana omaly noho ny maha andro tsy fiasana ny 15 aogositra. Ho an’ny tao Amoron’i Mania manokana dia nizotra araka ny tokony ho izy ny fanadinana nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Misy mpiadina voasoratra anarana 484 ao izay mitsinjara foibe-panadinana roa dia ao amin’ny LTP Ambositra izay misy mpiadina 222, tsy tonga niatrika fanadinana ny 5 tamin’ireo. Any amin’ny Lisea teknika Beapombo Fandriana ny foibe-panadinana faharoa, misy mpiadina 262 miaraka amin’ny mpiadina avy any amin’ny Lisea Agricole Sahamadio, tsy tonga niatrika fanadinana ny iray tamin’ireo. Mizara sampana enina ny fanadinana natao tamin’ity herinandro ity ka ny taranja teknika manontolo no nandrafitra ny fandaharam-potoana. Hitohy amin’ny alatsinainy 19 Aogositra ho avy izao ny fanadinana izay hiarahana amin’ny sampana ankapobeny. Araka ny fanazavana nomen’ny Tale-paritry ny fampianarana ara-teknika ao Amoron’i Mania, Atoa Rarivoarimanana Jean Christian Guy de l’Ile dia nitombo ireo mpiadina tamin’ity taona ity raha mitaha tamin’ny taon-dasa.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.