«Paska mainty ho an’ny amiraly Ratsiraka sy ny fianakaviany» ny Paska 2011. Nodimandry tampoka ny sabotsy tolakandro teo, naka rivotra teo an-tokotany avy natory antoandro no niakarapoka tampoka i Nicolas Rafilipo, dadafaran’ny amiraly
Nentina namonjy mpitsabo nialana nenina saingy tsy tana ny ainy. Faralahy amin’ny renin’ny amiraly Ratsiraka ity nodimandry ity, ary hany sisa tavela tamin’ny mpiray tampo. Vokatry ny NOTAM navoakan’ny FAT tamin’ny volana febroary 2011 teo mandrara azy tsy mbola hody an-tanindrazana dia «fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana no hany nalefan’ny Amiraly sy ny ankohonany» mihitsoka tsy afaka mody ao Frantsa. Ity Atoa Nicolas Rafilipo nodimandry ity anefa, raha ny fanazavana avy amin’ny fianakavian’ny Amiraly Ratsiraka dia olona tena niara-notezaina taminy, ka na dadafarany aza dia niara-nilalao taminy. Raha teraka ny 04 novambra 1936 Ratsiraka Didier Ignace dia ny 21 martsa 1937 kosa no teraka Rafilipo Nicolas. Tsy niara-nianatra anefa izy roalahy mianaka na nitovy kilasy hatrany nandritra ny fianarana natao na tao Toamasina na teto Antananarivo. «Volamena ao am-ponay fianakaviana Ratsiraka i Tompokolahy Nicolas Rafilipo», araka ny nambaran’ny fianakavian’ny amiraly. Nambaran’izy ireo ihany koa fa «fangirifiriana ho anay ny tsy ahafahan’ny fianakaviana Ratsiraka Didier miatrika izao fahavoazana mihatra amin’ny dadafarany izao satria tsy voalohany izao, fa teo ny tsy nahafahany nandevina ny rahalahiny Etienne Ratsiraka ny taona 2006, ireo havan’ny vadiny roa ny taona 2008 sy 2009». Nohizingizinin’ny fianakavian’ny Amiraly hatrany fa «mampalahelo raha henjehina sy anaovana antsojay tahaka izao ireo mpitondra teo aloha izay tokony hanana ny toeram-boninahiny eto amin’ny firenena. Dia tsy misy hevitra raha tsy ny famerezan-jo ireo filoham-pirenena voafidim-bahoaka marina noho ny tahotra politika sy valifaty politika ve no atao mba ahafahana mivoaka amin’ny kilalao politika tiana hapetraka sy hipetrahana ?». Aminay dia tsotra ny raharaha : «Hakanosana ny famoahana iny NOTAM tsy hampodiana ny mpitondra teo aloha, ka anisan’izany ny Amiraly sy ny fianakaviany iny». Ankoatra izay, anio talata no hiala ao amin’ny tranony ao Ambolomadinika ny nofo mangatsiakan’i Tompokolahy Nicolas Rafilipo, ary hoentina any amin’ny Fokontany Antsangambato Mahanoro tanindrazany hanitrihana azy ny alarobia ho avy izao. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian-dRatsiraka sy ny fianakavian-dRafilipo ny gazety Tia Tanindrazana.
74 taona Rafilipo Nicolas izao nodimandry izao. Manana ny mari-boninahitra «officiers de l’ordre national». Zaza fahefatra sady faralahy tamin’izy mianadahy avy ka ny renin’ny Amiraly Ratsiraka no vavimatoa sady vavy tokana amin’izy mpiray tampo. Ny fanaovana zotram-pitaterana no tena nahalalana an-dRafilipo Nicolas izay nananganany ny Boeing nanao zotra Toamasina mianatsimo sy ny TransCo nanao zotra RN2 sy RN11A. Namela kamboty enina mianadahy i Tompokolahy ary mananontena. Raha tsiahivina dia ny taona 1994 no nodimandry ny vavimatoa izay renin’ny Amiraly.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.