Nitrangana halatra omby narahina vono olona tany amin’ny Distrikan’i Morombe, faritra Atsimo Andrefana, ny marainan’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 5 ora.
Omby 200 mahery tao amin’ny tanànan’i Ambovonaly, Kaominina Ankatsaka Sud manamorona ny lalam-pirenena fahasivy no lasan’ny dahalo miisa 30 lahy, ka folo tamin’ireo malaso nitondra basy, roa kalaky. Niatsinanana nihazo ny Distrikan’Ankazoabo Atsimo ny dian’omby. Nanapoaka basy avy hatrany ireo olon-dratsy mba hampitahorana ny olona eo an-tanàna. Noho ny tahotra ny feom-basy nirefodrefotra dia samy nifitsaka tany an-tranony ny rehetra, ka niliba ireo dahalo nitsipona izay omby tiany tao am-bala.
Lasa minitra vitsy ireo tsy mataho-tody vao sahy nivoaka ny trano ny mponina tao Ambovonaly. Nantsoina ny zandary avy ao Befandriana Atsimo, 15 km miala ny toerana nitrangan’ny fanafihana izay nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny Fokonolona sy nandray an-tanana ny fanadihadiana. Nandritra ny fanarahan-dia, nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Vokany, Fokonolona 10 mahery naratra voatifitra sy voafira famaky. Ny zoma io ihany, nentina haingana notsaboina any Toliara ireo naratra mafy, hoy ny depioten’i Morombe, Rakotomalala Lucien.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.