Actualités

Ambovombe Androy Nidina an-dalambe ny Vahoaka


  • Sabotsy 06 Aogositra 2016

Feno ny kapoaka ! Tranga tsy fahita any Ambovombe Androy no niseho omaly. Nidina an-dalambe ny vahoaka, nentin-katezerana amin’ny tsy fisian-jiro. «Mila jiro zahay ô « «vakisiny simba tsy ekenay», hoy ny horakorak'ireo ankizy. Ny «Révision = ZERO», hoy ireo mpanala fanadinana.

 


Efa nanomboka tamin’ny sabotsy 30 jolay no voalaza fa tsy niasa ny Jirama ao an-toerana. Maizin-kitroka ny tanàna nanomboka teo, afa-tsy tamin’ny alahady hariva, izay mba nandeha ora iray araka fiangavian'ny tao amin’ny fampianarana mba hamoahana ny laza adina bakalôrea.

Nanomboka ny fanadinana ny alatsinainy 01 aogositra. Nampanantena ny Jirama fa hovahana ny olana iray andro aorian'izay, saingy tsy nisy jiro hatry ny omaly. Sorena ireo ray aman-dreny sy mpianatra mpanala fanadinana bakalôrea fa tsy nisy nanaovana famerenan-desona no sady nenjikenjehana novitaina maimaika ny laza adina, ho an’ny taranja niadinana isan-kariva satria malaky maizina ny andro. Ao ireo lavi-podiana, ny tsy fandriampahalemana etsy an-daniny. Manahy mafy ireo ray aman-dreny sy ireo mpiadina fa tena ho ratsy ny voka-panadinana amin’ity taona ity satria voakorontana ny fiomanana sy fanomanana momba io fanadinana bakalôrea io.

Risoriso gazoala

Ao amin’ny Hopitaly Ambovombe indray dia tsy voahaja intsony ny fe-potoana tokony hitehirizana ireo vaksiny amin’ny hatsiaka ilainy mandra-pahatonga ny fotoana hampiasana azy. Hatao tsy ho ela anefa ilay hetsika fanaovam-baksiny. Efa hatsangana rahateo ny komity handrindra io hetsika io ary efa lasa ny fanasana ara-pomba ofisialy. Dia sanatria ve ka hampiasaina ihany ireo vaksiny simba ireo ? Io no antony faharoa hitokonan’ny olona.

Eo amin’ny lafiny toekarena dia mitaraina ireo mpandraharaha fa simba avokoa ireo entana miankina amin’ny fampangatsiahana. Fatiantoka tsy misy hoatr'izany. Tsy afa-mihodina ireo asa miankina amin’ny herinaratry ny Jirama. Tsy andrenesam-peo kosa ny Jirama ankoatra ny hoe simba ilay kamiao mpitatitra solika. Ny resaka mandeha anefa dia be ny risoriso gazoala ao Ambovombe Androy ka tsy mandeha lavitra fa na ny « épicerie » aza dia mivarotra gazoala. Ny mahagaga dia mitazam-potsiny ny fanjakana.

Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT