Tantara tsy mety mifarana ny vono olona ka nahafatesan’i Mamolily teo imason’ny zandary tany Ambovombe Androy ny 18 aogositra lasa teo.
Efa naratra mafy tao amin’ny hopitaly Monja Jaona vokatry ny fira antsy ny tanany sy ny tongony ity raim-pianakaviana ity ny 17 aogositra fa tsy nanaiky ireo mpamono azy raha tsy tapitra ny ainy, tamin’ny tsindrona lefona in-droa teo amin’ny tratrany havia. Nanatrika izany famonoana ankitsirano izany ny zandary 4 mirongo basy fa tsy nanao na inona na inona araka ny fitantaran’ny pasitera Tsilevo Josoa, fianakavian’ny maty. Malahelo noho ny tsy fandraisana andraikitry ny zandary izahay mponina any an-toerana satria 3 amin’ireo nandatsaka aina ihany no voatazona fa ny 4 mbola miriaria ao an-tanana. Araka ny fanamarihan’ny pasitera Tsilevo Josoa hatrany dia tomponandraikitra amin’izao koa ny fitsarana satria olona voarohirohy tamin’ny vaky tranon’ny tokantranon’i Mamolily izy 7 ireo sady niaiky ny heloka vitany rahateo nefa navotsotra indray, dia izao namaly faty izao. “Takianay, araka izany, ny fanalana ny tonia mpampanoa lalàna tsy nandray ny andraikiny, raha tsy izany dia hidina an-dalambe ny mponina”. Araka ny fanazavan’ny pasitera Tsilevo Josoa dia mbola andrasana ao an-tokantranony ny razana hatramin’izao satria tsy misy mpandevina. Tazonin’ny mpitandro ny filaminana noho ny antony tsy mazava mantsy ny zanaky ny maty, hoy izy. Mandrahona ny hanatitra ilay razana eny amin’ny fitsarana ny fianakaviana noho izany.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.