Actualités

Ambovombe Androy 15 andro tao anaty haizina ny mponina


  • Alarobia 31 Aogositra 2011

Ao anatin’ny fahasahiranana ny mponina ao Ambovombe Androy, satria dia tapabolana eo izao no tapaka ny jiro any an-toerana.

Tsy hita anefa ny fandraisan’andraikitra mazava hamerenana haingana izay tsy fisian’ny jiro izay. Voalaza fa vokatry ny fahasimban’ny milina mpamokatra herinaratra no antony. Ireo izay manana gropy elektrôzena ihany no mba afaka manatanteraka antsakany sy andavany ny asany. Mitombo andro aman’alina ny fahorian’ny mponina. Ankoatra ny tsy fisian’ny herinaratra mantsy dia mbola eo koa ny tsy fisiam-bola hividianana ny hanin-kohanina. Saika raketa sy kily no hanin’ny mponina any ambanivolo. Marihina fa misy ny bageda sy ny balahazo ary ny vary, saingy ny vola hividianna azy no tsy ampy, mba tsy hilazana hoe tsy misy. Miandrandra ny mba hisian’ny asa tanamaro ny any an-toerana hitsimbinana ireo voa mafy.

 

Natiora OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT