Actualités

Amboteazy eto Iarivo Misy fahadisoan’ny mpitandro filaminana !


  • Alakamisy 09 Jona 2011

Andravoahangy, Manjakaray, Ambodivona, Behoririka-Soarano, Anosizato, Andoharaofotsy , toerana anisan’ny ahitana fitohanan’ny fifamoivoizana tsy tapaka toy ny any amin’ny faritra hafa eto an-drenivohitra ireo toerana ireo, indrindra rehefa takariva any amin’ny 6ora 30 ka hatramin’ny 7ora any ho any (tsy tenenina intsony ny andro alarobia tahaka ny omaly).

 Ny lalana sasany toy ny etsy amin’ny tambohon’i Pochard mankeny amin’ny Magro Behoririka iny tsy fantatra intsony hoe rahoviana sy amin’ny firy no azon’ny fiara hifanenana fa gaboraraka be tsy misy ohatr’izany. Ny mahavariana dia tsy ahitana tamingana mpitandro ny filaminana mandamina fifamoivoizana intsony amin’izany toerana izany amin’io ora io. Ireo mpitandro ny filaminana moa dia tsy hitanao mihitsy rehefa tena diso mitohana be tsy mihetsika mihitsy ny fiara amin’ny ankapobeny. Ny antony dia tsy fantatra mazava. Tsy hidirantsika aloha izay ora marina fiasan’izy ireo fa raha ny hoe hiasa maraina mandra-pahariva ny andro kosa mitsangana eny an’arabe eny dia tsy ho vitan’ny polisy iray velively fa tsy maintsy misy fifanolosoloana eo. Ny toerana tena ahitana mpandamina fifamoivoizana betsaka matetika dia eny amin’ny « rond point » lehibe sy eny amin’ny toerana azo antoka fa be mpanao fahadisoana matetika. Mba misy manara-maso tokoa ve, hoy ny fanontanian’ny maro, ireny mpitandro ny filaminana am-perinasa ireny ?  Efa miasa tanteraka ve ankehitriny ilay « Police des polices » nodradradradraina tamin’ny haino aman-jery tsy ela akory izay ?

Raha ny fanadihadiana farany navoakan’ny mpikirakira antontan’isa manko dia anisan’ny fototry ny fitohanan’ny famoivoizana koa (ankoatra ny fiara mpitatitra tsy lazaina intsony) ireo mpitandro ny filaminana tsy dia mahafehy ny asany loatra, ary tena misy izany. Toy ny asa rehetra tsy an-kanavaka dia mila fanaovana « recyclage » koa ny mpitandro ny filaminana eto an-drenivohitra eto satria ny fiara mitombo andro aman’alina, ny lalana tsy misy fiovana firy ary ny teknolojiam-pifamoivoizana koa miara-mivoatra amin’ny fivoriana eran-tany.

 

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT