Actualités

Ambositra Ramatoa iray namoy ny ainy tampoka


  • Alakamisy 08 Desambra 2022

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 35 taona eo ho eo no fantatra fa namoy ny ainy tampoka rehefa nandalo tany ambadiky ny lisea teknika ao an-drenivohitr’Ambositra omaly maraina.

Tsy fantatra na efa tsy salama niala tany an-tokantranony ity Renim-pianakaviana ity no na noteren’ny adin-tsaina teny an-dalana ka mety niakatra tosi-dra ohatra ary izao nihafara tamin’ny famoizany ny ain-dehibeny izao. Haingolalao Marie Miriame no anarany, manambady ary manan-janaka dimy izy ary avy any Fandriana no fiaviany. Raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana hatrany dia foana tsy nisy na inona na inona intsony tao anatin’ny poketra noentin’Itompokovavy. Tsy nahitana ratra kosa anefa ny vatany na kely monja aza. Vinavinain’ny olona ho mety nisy nanendaka izy araka izany saingy ny tao anaty poketrany ihany no nalainy. Nisy koa anefa ireo niteny fa mety fanina teny an-dalana izy. Voalaza ho nandeha nitsindrona tany amin’ny dokotera mantsy no nivoahany ny trano izay tsy fantatra na resaka aretina tokoa fa zavatra hafa.
Nangonin’i Pati
Legende : Teo am-pijoroana ity Renim-pianakaviana ity no nitambotsotra tampoka
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT