Actualités

Ambositra Ilaharana ny solika


  • Alakamisy 07 Jolay 2011

Mandalo fotoan-tsarotra ny famatsiana solika ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania tato anatin’ny herinandro izao.

 . Filaharana no hita teny amin’ireo toby mpintsinjara solika roa amin’ny telo ao Ambositra nanomboka ny talata 5 jolay teo. Ritra tanteraka nanomboka ny zoma 01 jolay kosa ny solika tao amin’ny toby mpizara solika Jovenna, ka tsy mbola misokatra izany hatramin’ny omaly. Ny Galana sy ny Total sisa no misy solika ary niteraka filaharambe tato ho ato. Nambaran’ireo mpitantana roa ireo fa tsy ho ela dia mety ho ritra ihany koa ny tahirin’izy ireo. Ahiana tsy hisy solika intsony ao Ambositra manomboka ny sabotsy ho avy izao raha tsy misy ny famatsiana anio alakamisy 07 jolay, araka ny nambaran’ireo mpaninjara ihany. Efa manomboka mahazo vahana, any an-toerana, ny fivarotana solika any anelanelan-trano any. Ho an’ireo any amin’ny distrika ivelan’Ambositra dia efa ahitana solika nanomboka ny sabotsy 02 jolay teo any Fandriana, ny any Ambatofinandrahana sy Manandriana misy solika ihany saingy tsy maharaka, araka ny nambaran’ireo mpamily fiara. Vokatr’izany dia milaza hampiakatra saran-dalana manomboka ny alatsinainy 11 jolay izao ny mpitatitra anys an-toerana.

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Pr Ange Andrianarisoa
  • Talata 05 Mey 2026

«Mila lalàna afaka manasoa

  • FIARAHA-MIASA
  • Talata 05 Mey 2026

Influenceurs miisa 7 lasa any Rosia

  • Tontolo iainana,
  • Talata 05 Mey 2026

tanora, angovo azo havaozina

  • Alaotra Mangoro
  • Talata 05 Mey 2026

Misokatra ny taom-piotazana,

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

Hijery ny tohiny
FTT