Ambositra

> Zazavavy iray maty, telo hafa naratra mafy nofaohin’ny fiara


  • Alarobia 25 Septambra 2013

Zava-doza ny nataon’ity fiara iray nandeha mafy nentin’ny lehilahy roa tao Ambohibary Ambositra ny alatsinainy hariva teo.

Nifaoka tovolahy kely iray 16 taona nitondra bisikileta izay efa mipetraka amin’ny sisin-dalana ity fiara ity no mbola nifaoka ankizy telo mianadahy hafa nandeha môto skotera namonjy sisin-dalana ihany koa. Samy naratra mafy avokoa izy efatra mianadahy ireto ka nentn’ny Fokonolona namonjy hopitaly avy hatrany. Tsy tana intsony ny ain’ilay tovovavy kely iray tokony 16 taona izay voahitsak’ilay fiara. Nanohy ny fitsaboana any Fianarantsoa ny roa vavy naratra fa mbola ao amin’ny hopitaly Ambositra ilay tovolahy kely nitondra bisikileta. Lasa nandositra ireo nahavanon-doza saingy tratran’ny olona tao Ambositra ihany ka efa eo am-pelatanan’ny polisy ny raharaha. Mandeha ny famotorana fa araka ny nambaran’ireo fianakavian’ny niharam-boina dia tsy hamela izao raharaha izao ho zava-poana izy ireo fa samy mbola mitsabo ny maratra sy mikarakara ny razana aloha.

 

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT