Fiara ambulance ana fikambanana any Fianarantsoa no saron’ny zandary tao Ambositra ny alin’ny alatsinainy 23 mey, nitondra toaka gasy. Rehefa nalaina ambavany ilay mpamily ilay fiara dia nilaza fa nahazo alalana tamin’ny dokotera filohan’ilay fikambanana any Fianarantsoa ny tenany. Toaka gasy 20 bidon amin’ny 20 litatra avy no sarona tao anatin’ilay fiara. Araka ny tatitry ny zandary dia avy any Fandriana ireo taoka gasy ireo ary nokasaina hoentina any Fianarantsoa. Araka ny tsiliantsofina dia navela mora foana ilay mpamily rehefa nisy ny fifandaminana teo amin’ireo tompon’andraikitr’ilay fikambanana sy ny lehiben’ny zandary. Mahonena ihany ny zava-mitranga noho izany satria fiara fitondrana marary no itondrana toaka gasy. Tsy misy anefa ny sazy nampiharina tamin’ilay mpamily na ilay filohan’ilay fikambanana any Fianarantsoa. Raha olon-kafa anefa no tratra tahaka izao dia sady mandoa onitra no mety mbola miakatra fitsarana. Sa izay rehefa tetezamita ?
Rakoto Maxime
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.