Toerana anisan’ny be mpitsidika tokoa rehefa andron'ny fialan-tsasatra ny torapasika Grand-Pavois sy Petite Plage Amborovy iny raha i Mahajanga no resahina.
Olana anefa ny lalana mihazo io toerana io, satria efa an-taonany maro no tsy nisy fanamboarana. Sady feno rano miangona no be vato maranitra manimba kodiarana rehefa fotoam-pahavaratra. Matetika dia ny mponina manodidina no manao tsipaipaika amin'ny fanotofana ny lavadavaka saingy tsy maharitra ela izany dia simba. Manao antso avo noho izany ireo mponina ao an-toerana mba hanamboarana iny lalana mihazo ny torapasik’i Grand-Pavois sy Petite Plage anisan’ny mampalaza ny Faritra Boeny iny, noho izy manana toerana azo hitsangantsangana tsara sady madio ny tontolo manodidina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.