Actualités

Ambondromifehy RN6 Tsy manaiky fisamborana ireo mpitrandraka safira


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Raikitra ny fanakan-dàlana nataon’ireo mpitrandraka safira tany amin’ny RN6 ny sabotsy teo. “Gidragidra be teto amin'ny lalam-pirenena faha-6, Ambondromifehy, anelanelan'Anivorano Nord sy Ambilobe.

Nosakanan'ireo vahoaka mpitrandraka safira maro be ny làlana ary nikatso teo avokoa ny fiara. Voalaza fa, misy naman'ireo mpitrandraka voatifitry ny mpitandro filaminana any anaty ala any. Izay no nahatezitra azy ireo”, hoy ny fanamarihana. Ankoatra izay, nitaky ireo vahoaka mba hosokafana ho azo hitrandrahana malalaka ny ao amin'io ala fady Ambondromifehy io. Voalaza fa manao fisafoana matetika ao amin'io faritra arovana io ny MNP (Madagascar National Park) sy ny DREDD na ny Fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, ary ny mpitandro filaminana, ka misy ny mpitrandraka voalaza voasambotra. Tamin'ity, tsy nanaiky ireo olona satria nisy fitifirana, hoy ny fanamarihana. Voatery nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso ireo zandary hanaparitahana ireo mpikomy izay nitokona nanomboka tamin'ny 8 ora maraina hatramin'ny 2 ora tolakandro, hoy ny tatitra. Tokony ary tena adidin’ny Fanjakana ny miaro ny faritra arovana, manafay ireo mpandika lalàna minia mamotika tontolo iainana,… Fa moa ve tena mitovy ny rehetra eo anatrehan’io? Miainga avy any ambony ny ohatra satria ireny iaraha-mahita ireny ny hoe: misy depiote mpanao lalàna manome fahazoan-dàlana tsy ara-dalàna hahafahan’ny fiarany mitatitra hazo mandritra ny fotoana tsy voafetra. Ny Filohana andrim-panjakana no miteny fa izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bado azy. Hadihadian’ny Bianco avy eo dia tsy mamaly antso. Tsy miaro ireo vahoaka mety mamotika faritra harovana saingy mametra-panontaniana hoe: Natao ho an’iza marina ny lalàna? Iza no mpanome leson-dratsy? Mbola tany misy Fanjakana ve eto ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT