Actualités

Ambohitsorohitra Vaky ny ady eo amin’ny kolonely roa


  • Alarobia 25 Mey 2011


 Ady mangatsiaka hatramin’izay ary efa tsy misy tsy mahalala izany tsy fifankahazoana eo anivon’ny kolonely iray miaramila sy kolonely iray zandary ny rehetra izay miasa ao Ambohitsorohitra. Tato ho ato anefa dia nihamafy izany ary niafara tamin’ny fandotoana an-kolaka ny iray tamin’ny haino aman-jery aza. Tonga hatramin’ny hoe ahiana ho ao ambadiky ny fanomezana basy ny sivily mba handroba ny resaka. Zava-nisy izay nolavin’ilay kolonely faharoa marin-drano izany ary nolazainy fa fandotoana azy fotsiny. Inona no tena fototry ny ady ? Halako bika sy tsy tiako tarehy ve sa kosa noho ny iray miaramila sy ilay faharoa zandary ka lasa mifankahala nony farany satria samy akaiky ny lohany ?

Raha ny feo mandeha dia io farany no mety akaikaiky kokoa ny zava-misy. Olona teo anivon’Ambohitsorohitra ihany no nahafantarana fa efa saika hifampikasi-tanana mihitsy izy roa lahy ireo. Ny zava-mitranga dia toa mifampiandriandry ireto manamboninahitra roa ireto. Ny tena hatahorana dia samy manana ny ekipany izy ireo amin’ny maha miaramila sy zandary azy. Raha mitohy ny ady mangatsiaka dia heverina fa mety hisy fiantraikany amin’ny olona entiny izany.

 

r.d

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT