Ambohitseheno Manjakandriana

> Dahalo roa lahy tratra namaky vala


  • Alakamisy 19 Septambra 2013

Nisehoana halatra omby ny tao amin’ny tanànan’i Ifalimanjaka, Kaominina Ambohitseheno Distrikan’i Manjakandriana ny alin’ny alatsinainy 16 septambra tokony ho tamin’ny misasakalina.

Dahalo roalahy no namaky valan’omby tamina tokantrano iray ary nangalatra ny roa tamin’ireo omby ireo. Rehefa nahatsikaritra izany ny tompon’omby, io alin’io ihany, dia nampandre ny zandary sy ny Fokonolona teo an-toerana, ka dia raikitra ny fikarohana sy ny fisafoana ary ny fanaovana sakana ireo lalana rehetra mety hivoahan’ireo olon-dratsy. Tao anatin’izany no nahitana omby iray nifatotra teo ivelan’ny trano iray izay nampiahiahy ireo zandary sy Fokonolona sasany nanao fisafoana. Rehefa nanontaniana ny tompon’ireo omby very dia nahafantatra avy hatrany fa azy io omby iray io, fa ny iray kosa efa novonoin’ireo olon-dratsy. Voasambotra izy roalahy tompon’antoka tamin’ny halatra. Rehefa natao ny fanadihadiana dia niaiky ny zava-bitany avy hatrany izy ireo. Ny iray amin’izy roalahy moa dia fantatra efa mpamerin-keloka. Natolotra ny fitsarana omaly alarobia 18 septambra izy roalahy ireto, ary notanana am-ponja vonjimaika.

 

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT