Actualités

Ambohitromby Alasora Tsy fantatry ny kaominina ny fisian’ilay tany nahafaty olona


  • Alarobia 20 Jolay 2022

Olona roalahy fantatra fa mpikarama mpanarina tany samy avy lavitra no maty nihotsahan'ny tany teny Mandrangobato, fokontany Ambohitromby, kaominina Alasora afak’ omaly Alatsinainy hariva.

Olona sendra nahatazana azy ireo no nahatsikaritra fa tsy hita tampoka izy ireo ka nampandre ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy avy eo amin'ny CSB2 Alasora ary nandefa ny razana teny amin'ny tranom-paty HJRA Ampefiloha avy hatrany taorian’ny nisokirana ny vatana mangatsiakan’izy ireo. Marihina moa fa vao 24 taona monja ny iray amin’izy ireo. Fenosoa Jean Dayan Pierrot no anarany nipetraka tao Ankazobe, kaominina ambanivohitra Ambohimanga Rova ary efa mpandravona tany no asany. Mbola tsy ampy taona kosa satria vao 16 taona monja ny iray zanak'i Rakotomandimby Jean Claude sy Ravoniarivo Justine, ary mpandravona tany ihany. Raha araka ny fantatra moa dia tsy nanatona ny kaominina izy ireo talohan’ny nanatanterahany ny asany na dia hakana torohevitra sy fanampiana ihany aza hisorohana ny loza mety hitranga tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fakana ny vatana mangatsiakan’izy roalahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT