Actualités

Ambohitrimanjaka Ramatoa nananton-tena


  • Alatsinainy 23 Mey 2016

Renim-pianakaviana iray sahabo ho 50 taona no maty nananton-tena tao an-tranony teny amin’ny fokontany Antanetibe, kaominin’Ambohitrimanjaka.

 

Ny rahavaviny namangy azy tamin’ny zoma 20 mey lasa teo no nahita ny vatana mangatsiakany nihantona tao an-trano tokony ho tamin’ny 9 ora maraina. Teo no ho eo ihany dia nampandre ny manampahefana tao an-toerana ny tenany. Ny vadin’ny maty moa nandritra izany rehetra izany dia tany an-tsaha. Tsy mbola fantatra izay tena antony nanosika ity renim-pianakaviana ity hanapitra ny androny. Raha ny fantatra dia efa ho volana maromaro izao no tratry ny tsy fahasalamana « insomnie » na tsy fahitana torimaso izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT