Actualités

Ambohimiandra Tratra nifoka rongony ny mpamily sy reseverana taxibe


  • Alakamisy 17 Novambra 2022

Lehilahy miisa telo no saron’ny polisy avy ao amin'ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa teny Ambohimiandra akaikin'ny villa berlin ny Alatsinainy 14 Novambra teo tokony tamin'ny 11 ora sy sasany rehefa nankafy nifoka rongony.

Raha tsiahivina kely dia nahazo loharanom-baovao ny Polisy fa misy olona mifoka rongony etsy Ambohimiandra. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto farany ka lehilahy miisa telo izay 42 taona ny zokiny indrindra ary 24 taona ny zandriny indrindra no tratra teo am-pifohana rongony. Rehefa nosavaina teny amin'izy ireo dia mbola nahatrarana rongony sy fitaovana toy ny « poing américain ». Noentina teny amin'ny biraon'ny polisy izy ireo nanaovana fanadihadiana ; ary teo no nahafantarana fa saofera sy resevera ana taxibe miasa eto Antananarivo izy telolahy ireto saingy midoroka zava-mahadomelina izao. Niaiky tokoa izy ireo fa nifoaka rongony. Natolotra ny fampanoavana ka nampidirina vonjimaika eny Antanimora izy telolahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy telolahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT