Actualités

Ambohimangakely Nafotaka ny fandrodanana trano


  • Alarobia 20 Janoary 2021

Trano biriky teo amin’ny 5 sy trano hazo manodidina ny 15 no narodana omaly

 

 


teny Ambohimangakely noho ny fanamboaran-dàlana ataon’ny kaominina. Ny trano narodana, ny vola tsy misy, ka miantso ny Filoha mba hijery anay, hoy ny renim-pianankaviana, izay isan’ireo rava trano, naneho fa tao ny vadiny no maty vao herintaona latsaka. Tsisy azonay antenaina aloha hatreto taorian’izao fandrodanana, na nisy “préavis” aza tokony nomena toerana izahay, hoy izy ireo. “Mitady ny filaminana sy ny fanovana ny kaominina Ambohimangakely. Tsy hevitra avy amin’ny ben’ny tanàna manokana, fa hevitra ny teo anivon’ny kaominina manontolo, avy amin’ny vahoaka manontolo hoe andao isika mba hivoatra sy hiditra any amin’ny filaminana tanteraka”, hoy kosa ny ben’ny tanàna Atoa Thierry Radafy. Milamina hatreto ny fandravana satria ny lalàna no nampiharina, nojerena ny tokony haleha sy tokony hatao vao nanomboka ny fandrodanana. Fanohizana ny asan’ny mpitantana teo aloha amin’ny alalan’ny fandravana ireo trano sy tsena miorina amin’ny fomba tsy ara-dalàna, efa nisy ny fampiomanana ary tsy iray andro na roa andro no nanaovana izany fa efa amam-bolana, hoy izy. Efa nampanantsoina izy ireo, ary nisy fihaonana in-droa miantoana nialohan’ny fihibohana, ka nasaina nanoratra anarana sy nanangana fikambanana. Efa nifampiresahana tamin’izy ireo ka izay nanoratra anarana dia mivarotra ao anatin’ny tsena izay natokan’ny kaominina. Misy ny “arrêté” napetraka momba an’io. Amoron-drano io ary afovoan’arabe, an’ny Fanjakana ny tany, tsy misy fahazoan-dàlana ara-dalàna hanorina, ary efa nanaiky izy ireo fa raha vao ilain’ny kaominina ny tany dia tonga izahay dia afaka miala, hoy ny tatitra nataon’ny ben’ny tanàna. Eo am-pangatahana amin’ny Fanjakana amin’ny ahafahana manangana tsena eo amin’ny toerana eo anilan’ireo noravana ny kaominina Ambohimangakely amin’izao fotoana izao.



 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT