Gaga ny fianakaviana iray manana taratasy fanamarinana fananan-tany mirefy 8a
na 800m2 hatramin’ny taona 2017 etsy Ambohimangakely ampitan’ny hotely lehibe Madagascar espace raha nisy nampandre omaly maraina fa misy mamefy io tany misoratra amin’ny anaran’izy ireo io. Rehefa izany dia tonga teny an-toerana nanamarina ny zava-misy ny fianakaviana ary nanontany izay tompon’antoka tamin’ny fanefena ny tany saingy tsy nipoitra ity farany, raha ny fampitam-baovao farany voaray. Nanatona ny teo anivon’ny fiadidiana ny kaominina Ambohimangakely noho izany izy ireo. Araka ny fanazavan’ny lefitry ny ben’ny tanàna ao an-toerana, Laza Razafimanantsoa, moa dia feno olana ara-tany izay nolovain’izy ireo tamin’ny fitantanana teo aloha eny an-toerana ary fepetra noraisin’ny kaominina ankehitriny ny fampiantsoana ireo manana izay fifanolanana izay mba hanaovana ny asa fanelanelanana aloha. Raha mahita marimaritra iraisana moa ireo miady dia voavaha eo ny olana fa raha tsy izany dia alefa any amin’ny fitsarana mahefa ny raharaha. Ao ny fifanolanana eo amin’ny mpivarotra sy mpividy, ny resaka “double vente”, ny resaka refina tany. Izany rehetra izany, hoy izy, dia isan’ireo olana ara-tany marobe mitranga ety Ambohimangakely.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.