Actualités

Ambohimanga Rova Nofatoran’ny bibilava ny tendany, maty ilay zazalahy


  • Alarobia 16 Novambra 2022

Nisehoana tranga mampalahelo ny faran’ny herinandro teo tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohimanga Rova, distrikan’Avaradrano.

Zazalahy kely iray tombanana ho 9 na 10 taona eo ho eo no maty nofatoran’ny bibilava ny tendany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nilalao teo akaikina lavaka bibilava io zazalahy kely io ka toy ny notarihin-javatra nahita kofehy kely nitrangatranga teo. Nalaim-panahy nisintona io kofehy kely io izy ka nanaraka avy hatrany ny bibilava voalohany. Tsy nijanona teo anefa ny tantara raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso fa mbola notoratorahin’ilay zazalahy kely ity ihany ilay bibilava ka mpiandry omby iray no nanakana azy tsy hanao izany. Nivoaka avy tao an-davaka avokoa ireo namany nandritra izany ka notoratorahin’ireo nanatri-maso teo. Karazan’irony maro an-davaka irony izy ireo raha araka ny fantatra.
NANARAKA TANY AN-TRANO
Nony hariva anefa dia mbola nisy bibilava kely iray nanaraka hatrany an-tranony ihany io zazalahy kely io ka io no namatotra ilay tendany, antony namoizany ny ain-dehibeny. Nibontsina io bibilava io nandritra izany na dia voalaza fa kely aza. Kenda avy hatrany mantsy ilay zaza raha mafy tsy hay novahana kosa ilay bibilava. Raha araka ny fantatra moa dia efa nisy ihany ny fombafomba nataon’ny Ray aman-dRenin’ity zazalahy kely ity nanavotana ilay menaky ny ainy saingy efa tara loatra izany. Manahy mafy araka izany izy ireo fa bibin-javatra ity bibilava novonoin-janany ity.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT