Actualités

Ambohimanga Atsimo Taolam-paty 101 saron’ny zandary


  • Zoma 28 Martsa 2014

Nahazo vahana indray tato ho ato ny halatra taolam-paty any amin’ny Distrikan’Ifanadiana, faritra Vatovavy FitoVinany ary voazimbazimba ny fasana sy ny fomban-tany.

 Tany Ambohimanga Atsimo dia taolam-paty miisa 101 saron’ny zandary taorian’ny vaky fasana nitranga ny tapaky ny volana febroary 2014 lasa teo izay nahaverezana taolam-paty maro, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Olona telo nahiahiana ho tompon’antoka amin’ity raharaha mamohehatra ity nanondro ny namany telo hafa mpiray petsapetsa amin’izy ireo izay vehivavy ny iray tamin’ny famotorana natao azy.

Teo ihany koa no nahafantarana fa any amin’ny Distrikan’Ambositra no hivarotan’izy ireo ny taolam-paty. Marihina fa ankoatra ity halatra taolam-paty ity dia mirongatra ihany koa ny fiparitahan’ny vola sandoka any amin’ity Distrika ity. Farany teo, vola sandoka mitentina 410 000Ar no saron’ny mpitandro filaminana tao Ranomafana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT