Ny ampahatelon'ny mpianatra ao amin'ny Fokontany Ambohimanatrika Kaominina Tanjombato no tsy tafiditra an-tsekoly hatramin'izao ho an'ny ambaratonga fototra.
Vokatry ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa no mahatonga izany izay tsy misy afa-tsy efitrano miisa enina. Mba hahafahana mamaha ny olana ary dia nisy ny fananganana EPP iray vaovao ao an-toerana. Omaly no natao ny fihadiana fototra ny fotodrafitrasa misy rihana iray, ahitana efitrano telo ambony, telo ambany. Ny Japoney no mamatsy vola mitentina 1300 tapitrisa Ariary hananganana ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana. Kasaina hovitaina ao anatin'ny telo volana ny asa. Nambaran'ny Ben'ny tanàna Rakotondrabe Maurice nandritra izany fa ity fokontany ity sisa no tsy manana EPP tsara amin'ireo Fokontany dimy mandrafitra ny Kaominina iadidiany. Na izany aza hasiany fanavaozana ihany koa ilay efitrano miisa enina nianaran'ny mpianatra teo aloha entina hampianarana zaitra na informatika ny mpianatra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.