Actualités

Ambohimanarina Feno 250 ireo kilonga vita hasoavana


  • Alatsinainy 20 Jona 2016

Zazalahy niisa 90 indray no indray vita hasoavana niaraka tamin’ny sabotsy 18 jona faran’ny herinandro teo teny amin’ny boriborintany

 

 faha-6 eto Antananarivo Renivohitra ka ny 60 dia teny amin’ny foiben-toeran’ny Ong Affami (Andry Fanabeazana sy Fanarenana Mirindra) teny Ambohimanarina no natao ary ny 30 ambiny kosa dia teny amin’ny fokontanin’Ankazomanga ao amin’ity boriborintany ity ihany. Mameno isa ho 250 ankizilahy vita hasoavana maimaimpoana tenyAmbohimanarina manontolo, avy amin’ny tolo-tanana nataon’ny Ong Affami notarihan’ny filohany Rtoa Raherisoa Vololona Victorine, izany tamin’ity fiandohan’ny andro ririnina ity. Anisan’ny manala fasahiranana ny vahoaka itony didim-poitra faobe itony amin’ny ankapobeny. Ankoatra ny fandidiana maimaimpoana efa natolotr’ity Ong ity ho an’ireo ankizilahy nisoratra anarana dia mbola misitraka malabary sy kilalao ary tsindrin-tsakafo kely koa izy ireo.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT