Lehilahy iray 49 taona no tratran'ny Police Economique nanao taratasy hosoka ny 11 desambra teo.
Raha tsiahivina kely ny tantara dia naharay antso mahakasika ny fisiana taratasy hosoka tonga tao amin'ny Chef de Centre Fiscale Avaradrano ny Police Economique. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ka nanao fanadihadiana mahakasika izany. Fantatra tamin'ny alalan'ny angom-baovao fa lehilahy iray 49 taona no nanao ilay taratasy hosoka ka rehefa natao ny vela-pandrika dia tratra teny Ambohimahitsy ity lehilahy mpisoloky ity ny harivan'ny alakamisy 11 desambra teo. Rehefa natao ny fisavana ny tranony dia nahatrarana fitomboka miisa 18 sy antontan-taratasy hosoka maromaro ihany koa. Tamin'ny fanadihadiana natao ity lehilahy ity no nahafantarana fa efa an-taonany maro izy no nanao izao asa ratsiny izao ary efa maro ihany koa ireo olona voasolokiny. Natolotra ny fampanoavana ny faran’ny herinandro teo ny lehilahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.