Tsy mitsahatra mamono olona ny rano eto amintsika. Vao niandoha ity volana martsa ity dia zaza mianadahy no lasan’ny rano rehefa avy nirava nianatra ary namono ny ainy avokoa.
Tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany koa dia zazalahy kely iray vao 5 taona monja indray no namoy ny ainy tao amin’ny tetezana Andranomainty Ankerana, distrikan’Ambohimahasoa. Ireo fokonolona nahita ny vatana mangatsiaka no nihazakazaka nanatitra izany teny anivon’ny hopitaly CHRD1 Ambohimahasoa. Na izany aza tsy mbola fantatra mazava izay antony nampianjera io zaza io tao ambanin’ilay tetezana raha samy nilaza ho tsy mahalala avokoa ireo mponina teo amin’ny manodidina. Mbola tsy fantatra moa ary tsy mahalala akory ny nahazo an-janany ny Ray aman-dRenin’ity zaza ity fa mbola vao nifampitadiavana. Notazonin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny CHRD 1 Ambohimahasoa kosa ny razana. Ilana fitandremana fatratra araka izany ny fitaizana zaza indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra mahabetsaka ny rano izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa tsy nisy fofon’aina intsony ity zazalahy kely ity no hitan’ny fokonolona
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.