Anisan’ny mampitaraina fatratra ny maro, indrindra fa ireo taxi-brousse mampiasa iny lalam-pirenena fahafito iny ny haratsian’ny lalana miainga avy eo Ambohimahasoa hatrany Fianarantsoa mirefy 25 km.
Hatao ao anatin’ny ora telo mantsy izany, indrindra fa rehefa avy ny orana, antony mampirongatra ny asan-dahalo eo anelanelan’ireo toerana ireo. Vokany, vao ny herinandro teo indray dia taxi-brousse iray hiazo ny renivohitra lasibatr’izany ka tapitra naboridan’ireo dahalo avokoa ireo mpandeha tao anatiny nitadiavany vola. Tsotra ihany anefa ny vahaolana amin’izany, raha araka ny fitarainan’ny rehetra dia ny asa fanamboaran-dalana. Efa nanomboka ny faran’ny herinandro teo izy io, hiarahana amin’ny orinasa COLAS. Haharitra telo volana ny asa ka ankoatra ny ao Ambohimahasoa miazo an’i Fianarantsoa dia fantatra izao fa amboarina avokoa ny lalana feno lavadavaka rehetra hatrany Toliara, hahafahana miady amin’izay asan-dahalo izay. Na izany aza anefa dia marihina fa ain’olona maro, fananan’olona tsy tambo isaina no efa ritran’ny dahalo tany amin’iny lalam-pirenena fahafito iny saingy izao vao taitra ny fanjakana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.