Actualités

Ambohimahasoa 2 no maty tamin’ireo 11 nilatsaham-baratra


  • Alarobia 11 Janoary 2023

Olona 11 isa no nilatsaham-potaka tany amin’ny kaominina ambanivohitra Antoetra, distrikan’Ambohimahasoa ny 09 janoary lasa teo.

Ny roa tamin’izy ireo no namoy ny ainy izay fantatra fa mpivady raha mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny efitrano fameloman’aina ireo zanany roalahy hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. May ary maratra mafy kosa ireo olona 7 ambiny izay mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny dispanseran’Ambohimahasoa ihany koa. Raha araka ny fantatra moa dia samy efa tonga tao an-tokantranony avokoa ireo olona 11 mianaka iray trano ireo tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza.Tokony ho tamin’ny 04 ora folakandro tany ho any mantsy no nisehoan’izany. Nisy fianakaviana iray nahitana olona 19 ihany koa moa voalaza fa nolalovan’ity varatra ity saingy tsy nisy naninona.
Legende : Efa tsaboina ireo naratran’ny varatra
(Sary nindramina)
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Famindrana mpivarotra
  • Talata 12 Mey 2026

eny amin’ny Petite Vitesse

  • ROVAN' AMBOHIDRATRIMO
  • Talata 12 Mey 2026

Hanomboka tsy ho ela ny

  • Mbola tazonina i Naivo Raholdina
  • Talata 12 Mey 2026

« Afera fangalarana tany maro

  • Filazana fa tsy mahazo
  • Talata 12 Mey 2026

mitsabo tena i Rinah

  • TSENA ETSY AMIN'NY
  • Talata 12 Mey 2026

TETEZAN' AMPASIKA

  • Tontolon’ny fitsarana
  • Talata 12 Mey 2026

Tafapetraka ireo tonia mpampanoa lalàna ambony,

Hijery ny tohiny
FTT