Vehivavy iray avy nitondra zaza niotra no fantatra fa maty teo no ho eo raha nandalo ny taribin’ny JIRAMA nikirozaroza tamin'ny tany ny Sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 07 sy sasany tany ho any.
Raha araka ny loharanom-baovao voaray dia voalaza fa namoy ny ainy ihany koa ilay zaza vao 3 volana monja notrotroiny, fotoana fohy taorian’izay. Andrin-jiro hazo tapaka moa ity voalaza fa nampidi-doza ity ary nambaran’ireo mponina any an-toerana fa efa nanaovan’izy ireo fitarainana mafy saingy tsy mbola nisy nihaino izany. Manao antso avo amin’ny JIRAMA araka izany ireo mponina mba hijery akaiky ny zava-misy sao sanatria hitera-doza fanindroany indray indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.
Nangonin’i Pati
(Sary nindramina)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.