Actualités

Ambohijatovo Nahita ny tsy fahita


  • Alarobia 30 Martsa 2011

Trangan-javatra tsy mbola niseho hatramin’izay 64 taona nanamarihana ny 29 martsa 1947 izay ny niseho teny amin’ny manodidina ny tsangambaton’ny Maherifo Ambohijatovo omaly marainan’ny 29 martsa 2011.

Niavaka ny fahavitsian’ny olon-tsotra nanotrona azy ireo, satria tsy navelan’ny mpitandro ny filaminana hijoroana ny teny amin’ny manodidina ankoatra ny nanoloana ny mpivaro-boky. Amin’izay dia olona voaambina basy marovava no teo. “Tena nampahatsiaro ny zava-niseho tamin’ny 1947 izy ity. Toy izao no nataon’ny miaramila frantsay sy sônegaly tamin’izany fotoanandro izany”, hoy ireo Bekotro maroholatra tsy dia sahy niteny mafy fa mbola handeha hanatrika fanasana teny Soanierana, araka ny taratasy fanasana hita teny an-tanan’izy ireo. “Aoka tsy hiteny fa angamba misy antony izao”, hoy ny solaloha sy bangaridana ary fotsy volo hafa tazana teny an-toerana. Tena mpitandro ny filaminana vonona amin’ny angady sy ny harona ireo tazana teny Ambohijatovo notarihan’ny Jeneraly Ravalomanana izy tenany. Niavaka tamin’ny fanamiana velon-drirana koa ireo olom-boatendrin’ny FAT notronin’ireo mpanampy azy avy. Fa norarana tsy mahazo manatona maka sary eny amin’ny tsangambato ny mpanao gazety, izay maro no tara tamin’ity hetsika tetsy Ambohijatovo ity satria, asa na noho ny fatahorana ny hiverenan’ny fisehoan-javatra tamin’ny taon-dasa, fa naroso ora iray mialoha noho izay voatondron’ny fandaharam-potoana nozaraina ny fotoana rehetra hatrao amin’ny katedraly Analakely ka hatretsy Ambohijatovo sy hatreny amin’ny Mausolée.

Fa na dia efa niaraka tamin’ny praiministra sy ireo minisitra namany aza i Nadine Ramaroson dia mbola niaraka tamin’i Alain Ramaroson manokana kosa ora vitsivitsy monja taorian’izay, mbola nametraka fehezam-boninkazo teo Ambohijatovo tamin’ny anaran’ny fianakavian’izy ireo manokana. “Natao ho an’ny rehetra tsy an-kanavaka ny fahatsiarovana ireo Maherifo”, hoy i Alain Ramoroson, “ka izany no andehananay manokana eto ary mahazo manao izao avokoa fa tsy tokony hosakanana ny olon-drehetra”.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT