Actualités

Ambohijatovo Lasan’ny jiolahy nitam-basy ny vola devizy avy natakalo


  • Talata 23 Jolay 2013

Lehilahy iray avy nanakalo vola devizy tao amin’ny toerana iray etsy Ambohijatovo no norobain’ny jiolahy anankiroa nirongo basy omaly alatsinainy 22 jolay antoandro be nanahary ka lasany tamin’izany ny sakosy nisy an’ireo vola ireo.

Noho ny fahasarotan’ny fitadiavana toerana, na noho ny fahazarana koa angamba, dia teny anoloan’ny ministeran’ny tanora sy fanatanjahantena no napetrak’ity lehilahy ity ny fiarany ary nizotra moramora avy ao amin’ilay toerana nanakalozany vola izy niampita teo amin’ilay tsangambato sy nihazo an’ireo mpivaro-boky etsy Ambohijatovo no nambanan’ireto jiolahy ireo basy avy hatrany nakany ny sakosy teny aminy. Tsy nisy sahy nihetsika ny nahita noho ny fahitana ny basy fa ilay niharam-boina no nihiaka ary nanenjika ireo jiolahy avy ato afara, nidina an’iny Andohan’Analakely iny. Marihina fa teo akaikin’izany toerana nitrangan’ny fanafihana izany ireo mpitandro ny filaminanan’ny Emmo-Reg maro nipetraka anaty fiara niandry ny mpanao fihetsiketsehana’ny mpanohitra fanjakana ary tery ambanimbany koa ireo polisy mpandrindra ny fifamoivoizana.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT