Actualités

Ambohijatovo Atsimo May ny 4x4 an’ny ministeran’ny fampianarana


  • Alarobia 11 Jolay 2012

Nirehitra teo amoron-dalana, mifanolotra amin’ny rindrimbato misy ny tranon’ny minisitry ny fampianarana Manoro Régis, eny Ambohijatovo Atsimo, ny fiara tsy mataho-dalana iray, marika Toyota.

 Ny alahady 08 jolay, tany amin’ny 11 ora alina tany no nampirehitra azy io, araka ny filazan’ny manodidina. Kila tsy nisy azo noraisina ilay fiara na tonga teny nifehy ny afo aza ny ekipan’ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalana. Mandray an-tanana ny fanadihadiana ny ekipan’ny polisy siantifika.
Fa fiara 4x4 marika Nissan koa no niala lalana ka nifatratra tamina tsena kely telo tetsy Antsahabe, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy io ihany tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany maraina. Araka ny fantatra dia avy nandrairay kely ny mpamily ilay fiara, ka tsy nahatana ny familiana rehefa nentin’ny torimaso. Misokatra koa ny fanadihadiana.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT