Actualités

Ambohidrapeto - Itaosy Vehivavy 5 tratra nivaro-tena tamin’iny internet


  • Alakamisy 24 Novambra 2022

Vehivavy miisa 5 no indray tratra nivaro-tena tamin’iny internet teny Ambohidrapeto Itaosy. Raha araka ny fantatra dia manofa trano izy ireo ka efitrano telo amin’ny fito no nanaovany izany asa mamoafady tsy fampiseho masoandro

izany. Mampiasa karazam-pitaovana izy ireo mandritra izany toy ny filahiana plastika, ny camera, ny solosaina, ny connexion izay fantatra fa hiantohan’ny tompon-trano. 50 dolara isan’olona ny karama azo amin’izany ho an’ny tovovavy mpiasa iray mahafeno ny fepetra. Anisan’ireny ohatra ny fahafahany manome hafinaretana ireo lehilahy tera-tany vahiny amin’ny alalan’ny filalaovany ilay filahiana plastika mba hanaitairana azy ireny, ny fiboridanany manoloana ny solosaina amin’ny karazany maro samihafa…..Tsiahivina moa fa mbola tratra niaraka tamin’izy ireo tao an-tranony avokoa ireo karazam-pitaovana rehetra nampiasainy ireo. Manodidina ny 17 taona ka hatramin’ny 30 taona eo ho eo izy ireo raha ny tombana, tovovavy izay marihina fa tsara tarehy sy manam-bika avokoa ny ankamaroany. Tsy ho an’Ambohidrapeto Itaosy irery ihany fa toerana maro no ahitana tovovavy mivaro-tena amin’ny alalan’ny internet tahaka izao eto amintsika.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT