Actualités

Ambohidahy Ankadindramamy Fatin-dehilahy iray hita tao anaty rano


  • Talata 26 Oktobra 2021

Lehilahy iray hita faty tao anaty rano tetsy Ambohidahy Ankadindramamy omaly vao maraina. Ankizy kely nilalao no nahita sy nahatsiritra izany voalohany, ka nilaza fa misy saribakoly be ao anaty rano.

 Rehefa nojerena anefa, dia faty olona no nihohoka tao, ka nampandre ny Fokontany ny olona, samy tonga teny an-toerana ny Filoham-pokontanin’Ambohidahy sy Ambohimirary. Ireo indray avy eo no nampandre ny mpitandro filaminana sy ny BMH (Bureau Municipal d’Hygiène). Tombanana ho nianjera ka nentin'ny rano nandritra ny ora-nikija alin’ny alahady, ka teo amin'io toerana nahitana azy io vao nijanona. Sahabo ho 100 metatra mahery miala amin’ny toerana nahitana ny razana ny arabe izay misy tetezana kely iray, matetika difotry ny rano rehefa tena betsaka ny rotsak’orana, ka tombanana ho teo no lasan’ny rano izy io, ary tany amin’ny toerana iray somary dobo fiandronan’ny rano vao tafajanona. Hatry ny harivan’ny alahady izy io no voalaza fa tsy hitan'ny vadiny sy ny fianakaviany ary nokarohina, ka raha vao nahita ny zarana tao anaty rano na mbola tsy niseho endrika akory aza dia fantatry ny anabaviny avy hatrany, fa ilay anadahin’izy ireo tsy hita io, ka izy indray no nampandre ny fianakaviana. Mpivaro-kena sy anana eo Ambohimirary ity lehilahy ity, ary mipetraka eo Ampanontokana, raha ny fanampim-baovao. Tonga teny an-toerana naka ny razana ny BMH. Vao roa volana no maty ny rahalahiny noho ny aretina nahazo azy, ary izao nodimandry ihany izy, araka ny fanazavana hatrany. Mirary fiononana feno ho an'ny fianakavian'ny maty isika. Tsara ny manamarika, fa tsy vao izao no nisy fatin’olona nentin’ny rano tao amin’io dobo io satria 6 taona teo izay, dia efa nisy zazakely iray nentin’ny rano, nokarohina sy nanaovana fombafomba teo an-toerana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

Hijery ny tohiny
FTT