Actualités

AMBOHIBAO ANTEHIROKA Nahazo jiro manazava ny tanana


  • Alakamisy 14 Jolay 2022

Sady haingon’ny tanana no hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana ny jiro enti-manazava ny tanana, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny ririnina mahamora maizina ny andro izao.

Nanao ezaka manokana mifandraika amin’izany ny kaominina Ambohibao Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo tarihin’ny Ben’ny tanana Atoa Lalaina Vatosoa. Nosinganiny tamin’izany ny Fokontany Ambohibao izay nahazo jiro COBRA, vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo ary ny orinasa JIRAMA. Nisy ny fidinana ifotony tamin’ireo toerana maizina sy mampitaraina ny mponina ahitana trangana tsy fandriampahalemana talohan’izany ka ireny no natao laharam-pahamehana ho an’ity Fokontany iray ity. Mbola hitohy any amin’ireo Fokontany hafa ambiny ny ezaka, hoy ny fanazavan’ny Ben’ny tanana. Marihina moa fa vokatry ny tsy fisian’ny jiro manazava ny tanana dia marobe ireo olona tratry ny sinto-mahery sy ny asa fanendahana amin’izao, raha misy ihany koa ireo voaolana.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fametahana ny jiro tao amin’ny Fokontany Ambohibao omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT