Actualités

Ambodivondava Alasora Tsy manaiky ny hanafoanana ny taksibe F ny mponina


  • Alarobia 27 Jolay 2016

Tsy manaiky ny hanafoanana ireo taksibe ao amin’ny zotra F tsy hiasa ao aminy ireo mponina eny Ambodivondava Alasora.

Raha ny fantatra dia tena nanala fahasahiranana azy ireo ny fisian’ity fiara fitaterana ity teny an-toerana  tao anatin’ny iray volana izay. Tsy nisy intsony ohatra ny fanendahana sy  fanolanana teny amin’ny By-pass  nanjo ireo vehivavy sy Renim-pianakaviana miasa amina orinasa afaka haba etsy Ankadimbahoaka. Toraka izany koa ny fandehanana nihatra tamin’ ireo  zokiolona avy maka vola fisotroan-dronono etsy amin’ny Cnaps satria eo ihany izy ireo dia efa mahita fiara mody any aminy. Ny alatsinainy teo anefa dia  najanona tampoka izy ireo ka nitokona ny mponina  izay voatery nidiran’ny mpitandro ny filaminana mihitsy. Nanambara izy ireo fa na inona na inona ezaka   hataon’ireto fiara fitaterana ao amin’ny zotra KOMI mampitohy an’Ambohijatovo amin’Alasora ireto dia tsy hahasehaka ny filan’izy ireo mihitsy. Ho an’ny kaominina Alasora manokana  dia miandry ny fandaminana avy amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety izy ireo hisorohana ny olana mety hitranga. Ho an’ireto farany indray dia mbola andrana fotsiny aloha iny natao nandritra ny iray volana ity fa mbola ho hita eo izay mety ho tohiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT