Raha tara kely ny fahatongavan’izy efa-mianaka teny amin’ny hopitaly Ravoahangy Andrianavalona dia tsy nisy azo natao intsony ny famonjena ny ain’izy ireo, hoy ny dokotera Liva, mpitsabo nandray an-tanana ny fikarakarana azy ireo.
Raha ny zava-nisy omaly alatsinainy 26 aogositra 2013 vao maraina no hiverenana kely teny amin’ny Fokontanin’Ambodivoanjo, Kaominina Alasora dia naka anana teny an-tsaha ireto fianakaviana ireto mba hataony vary amin’anana. Rehefa vita ny fanomanana ny sakafo maraina dia nihinana ity tohan’aina tsy nisy ahiahy izy telo mianadahy 11, 5 ary 2 taona miampy ny renin’izy ireo. Tamin’io fotoana io dia tsy mbola fantatra mazava izay nitranga fa dia nilomay ireo manodidina nanatitra azy ireo teny amin’ny toeram-pitsaboana teny Ampefiloha. Nampidirina avy hatrany tao amin’ny fandraisana vonjy aina izy ireo dia nanatanteraka ny asany ireo dokotera mpitsabo sy mpanampy. Natao ny fomba rehetra namelomana azy ireo ary dia avotra soa aman-tsara ka tsy misy atahorana intsony ain’izy ireo, hoy ny fanampim-panazavana nomen’ny dokotera Liva. Rehefa natao ny fizahana dia tsikaritra fa ny fanafody famonoana bibikely nararaka tamin’ireo anana nambolena ihany no poizina nahavoa ireto tantsaha mpamboly ireto. Antony nahatonga izany dia tsy voadio tsara ireo anana. Tsy ny anana irery anefa no mety hitera-doza tahaka izao fa anisan’ny mety hanapoizina ihany koa ny voatabia raha tsy voasasa tsara mialoha ny hihinanana azy, hoy ny dokotera Liva. Nanafatra mafy moa ny tenany ny amin’ny tokony hanasana sy hanadiovana tsara ireo karazan-tsakafo famboly eny an-tsaha mialoha ny hihinanana azy ireo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.