Actualités

Ambodifilao Lasan’ny jiolahy ny vola tamin’ny sakaosy


  • Alarobia 16 Mey 2012

Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny trano fisakafoana Le Pacifique tetsy Ambodifilao omaly talata 15 mey manodidina ny mitatao vovonana. Nisy dimy lahy niditra tsy nisy ahiahy toy ny olona hisakafo.

 Manao fitafy mihaja tsy misy hamantarana azy ho jiolahy. Efa nahita ilay Sinoa vavy tompon’ny hotely napetrany tamin’ny seza sy nifamaly taminy ireo mpanampy vao gaga. Nohidiany tao amin’ny efitra iray ireo olona tao anatin’ny trano dia niakatra nankany amin’ny rihana voalohany ry zalahy. Nitondra sakaosy feno vola izy ireo avy any ary nandeha nilamina toy ny olona rehetra nivoaka ny trano. Marihina fa misy toerana fanakalozam-bola vahiny koa amin’ilay toerana. Voalaza fa samy nitondra basy PA ry zalahy ireo. Fiara Pegeot 106 no nitondra azy ireo avy eo, ary nanapoaka basy izy ho fanairana ny olona. Nivoaka ny lalana ho any amin’ny Firaisana voalohany ilay fiara avy eo ary niakatra nankany Andohan’Analakely. Dimy minitra taty aoriana dia tonga ny mpitandro ny filaminana nanao ny asany. Ny heno dia nentina natao famotorana ny mpiasa sasany tao amin’ilay hotely.

Rabeso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT