Actualités

Ambodiatafana Vita ny fanarenana ny tranon-dRatsiraka


  • Alarobia 28 Martsa 2012

Araka ny vaovao nampitain’ny fiadidiana ny primatiora lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany dia fotoana vitsy sisa dia azo ipetrahana ny tranon’ny amiraly Ratsiraka ao Ambodiatafana, Toamasina II.

 Vita ny asa fanarenana izay nosahanin’ny orinasa Alutech sy Tsaravintana. Ilay orinasa voalohany no nametaka ny varavarana sy varavarankely vita amin’ny “aluminium” raha anjaran’ny faharoa kosa ny ambiny rehetra. Araka ny fanazavana nomen’ny ekipan’ny fiadidiana ny primatiora lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany ihany dia efa noraisina ny asa ka ny fandiovana sy ny fanesorana ireo fitaovana avy nampiasaina sisa no atao amin’izao fotoana. Nisy ny fihaonana tamin’i Xavier Ratsiraka, zanaka lahin’ny amiraly Ratsiraka namaranana ny fitsidihana tamin’io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT