Ratsy fanombohana ny fampielezan-kevitra ho an’ny kandidà milaza ny hitondra hery vaovao eto amin’ny firenena satria rehefa niverina avy any Ampefy ny iray tamin’ireo fiarakodia nitondra mpanao propagandy dia nivarina an-tanimbary tetsy Ambodiafontsy (RN1 PK 10) ny talata tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any. Mazava loatra fa nisy ny naratra tamin’ireo mpandeha tao anatiny izay maromaro ihany, araka ny fanamarihan’ireo nanatri-maso nanontaniana teny an-toerana. Tsy nisy kosa anefa ny namoy ny ainy, hoy ny fanamarihana azo. Araka ny loharanom-baovao dia olona efa varimbarin’ny zava-pisotro mahamamo avokoa ny tao anatin’ity fiara ity hatramin’ny mpamily. Azo ambara fa tena vokatry ny haitraitra no nahatonga ity loza ity, hoy ihany ireo nitafa nivantana tamin’ny mpanao fanadihadiana teny an-toerana.
Sammy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.