Actualités

Amboatavo Itaosy Nahitana fatin-jazakely tsy nisy lohany intsony


  • Alatsinainy 20 Jona 2022

Zaza iray manodidina ny 2 taona eo ho eo no hita faty tsy nisy lohany intsony teny Amboatavo Itaosy, kaominina Itaosy Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo raha araka ny loharanom-baovao azo.

Tsy nisy lohany intsony ity zaza tsy manan-tsiny ity no sady tsy teo intsony ihany koa ny filahiany na ny fivaviany, antony tsy nahafantarana azy na lahy na vavy. Raha araka ny fantatra anefa dia zaza botabota kely ity tsy manan-tsiny ity. Olona sendra nandalo moa no nahita ny razana hoy hatrany ny vaovao ka nampandre avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ny BMH kosa no nitondra ny razana niazo ny tranom-paty taorian’ny fizahana nataony raha ny kaomisarian’Itaosy no mandry an-tanana ny fanadihadiana. Lasa mitaintaina ireo mponina eny an-toerana vokatr’izany. Mandeha ihany koa mantsy ny resaka fa mety mamono zaza tahaka izao ireo mpangalatr’olona ka tokony samy hitandrina ny rehetra.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT