Actualités

Amboasary Atsimo Tratra ny efatra tamin’ireo dahalo nitetika zaza roa tamin’ny famaky


  • Alakamisy 27 Martsa 2014

Noho ny ezaky ny mpitandro ny filaminana tany Amboasary Atsimo dia nody ventiny ny rano nantsakaina.

 Voasambotra ny sabotsy teo ny efatra tamin’ireo dahalo anisan’ny tompon’antoka tamin’ilay fanafihana mahery vaika nitranga tao Morafeno ny 16 martsa lasa teo, ka nahafaty ankizy roa notetehan’ny malaso tamin’ny famaky sy nahavoatifitra ny raim-pianakaviana tompon-trano ary nahavery ny basiny sy vola iray sakaosy.

Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia fantatry ny tompon-trano ny endriky ny iray tamin’ireo dahalo nanafika ka tamin’ny alalan’ilehio no niaingan’ny fisamborana. Tratra nisotrosotro tao amina «Bar» iray teo an-tanàna ihany mantsy ity farany, ka noraisim-potsiny. Niaiky ny heloka vitany ity malaso ity rehefa nofotorana ka nanondro ireo namany telo lahy hafa. Miandry ny fitsarana azy ireto mpandroba sady mpanao habibiana ireto, araka ny loharanom-baovao voaray.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT