Actualités

Ambinanindrano Ambositra Bateria nipoaka, nandoro trano miisa 8


  • Talata 25 Oktobra 2022

Trano miisa 8 tafo no indray may kila omaly folakandro tokony ho tamin’ny 02 ora tany Ambalaherana, kaominina ambanivohitra Ambananindrano, distrikan’Ambositra.

Raha araka ny fantatra dia bateria nofahanana tamin'ny plaque_solaire no nipoaka, antony nahatonga ny firehetana raha ny fanazavana. Tokantrano iray no niavian’ny afo ka tsy nitsaha-nihitatra izany. Tsy nisy entana voavonjy mihitsy raha araka ny vaovao azo fa may sy lasa lavenona avokoa. Raha araka ny fantatra moa dia efa maro ny trano may tamin'ny bateria nipoaka no nofahanana mivantana tahaka izao ka tokony samy hitandrina ny rehetra. Ankoatra ireo traboina moa dia mpianatra am-polony no fantatra fa tsy afaka manohy ny fianarany intsony vokatry ny fahamaizan’ireo fitaovam-pianarana nampiasainy sy ny fitafiana nanaovany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nitsimpona ireo sisa tsy may tahaka izao sisa no nataon’ireo tokantrano sasany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT