Bandikely telolahy no fantatra fa nampianarin-dRainy ny tsy fanaony amin’ny resaka fanaovana firaisana ara-nofo.
Lasa mpanolana izy ireo vokatr’izany ka zazavavy kely iray vao 14 taona monja no naolan’izy telolahy niaraka tamin’ilay dadany. Tany Ambilobe tamin’ny 19 Aogositra lasa teo izy ireo no voasambotra tao amin’ny faritr’i Sengalaoka. Araka ny fitantaran’ilay zazavavy kely niharam-boina , izay marihina fa bevohoka amin’izao fotoana izao dia rehefa tsy ao an-trano ilay nenitoany no manararaotra manolana azy izy efa-dahy mianaka ireto. Manampatra ny heriny sy ny filan-dratsiny mihitsy izy ireo mandritra izany. Miditra tsirairay nanao ny asa ratsiny izy ireo ka ilay raim-pianakavina 55 taona no manomboka izany izay vao ireo zanany telolahy 25,23, ary 19.Nitaraina tamin’ny nenitoany araka izany ity zazavavy kely noho ny tranga nahazo azy , nefa tsy sahy nanao na inona na inona ity nenitoany ity noho ny tahotra mafy sy fandrahonana nahazo azy avy amin’ilay vadiny mpampiana-dratsy zanaka no sady mpanolana. Tsy nipetra-potsiny araka izany ny manodidina rehefa naheno ity zava-niseho ity ka niantso avy hatrany ny Polisy miasa any an-toerana. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany nisambotra ireo tsivalahara ireo sy nanao ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity raharaha ity .Natolotra ny fampanoavana omaly moa izy 04 mianaka navanon-doza ireto ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Nalefa eny am-ponja izy efa-dahy mianaka mba hisaintsaina ny ratsy vitany
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.