Tanora mpiala sasatra 5 no lasan'ny Ranomasina tany Ambila Lemaitso omaly, ka ny iray no voavonjy ka tafakatra an-tanety.
Tovovavy roa 16 taona sy 17 taona ary zazalahy 20 taona no nidaosin`ny fahafatesana, ary tovolahy 25 iray no mbola tsy hita hatramin’ny fotoana nanoratanay. Mpiala sasatra avy aty Antananarivo izy ireo ary nivahiny tany Manambato ka tonga nitsangatsangana tany Ambila Lemaitso, raha ny fitantaran’Atoa Ny Rado Rafalimanana tompon’ny Hotel Tropicana Lodge any amin’iny faritra Antsinana iny, izay naneho ny alahelony teo anatrehan’ny zava-nisy. Raha ny fanazavana tsotsotra avy amina loharanom-baovao hafa, dia saika hamonjy zazakely iray nanao “bouer” lasan'ny ranomasina ny vehivavy roa no natelin'ny onjan'ny ranomasina, nahita izany koa ireto lehilahy niaraka tamin'izy ireo dia saika hamonjy azy ireo no lasa tany koa. Vokany, avotra soamantsara ilay zaza sy lehilahy iray, fa ilay vehivavy roa sy lehilahy iray hafa no maty, ary mbola misy lehilahy iray ihany koa tsy hita ka mbola karohina amin'izao fotoana izao. Nentina namonjy an’i Manambato namonjy ny fianakavinany miaraka manao fialan-tsasatra ireo namoy ny ainy. Ny Ekipa sy ny Fokonolona Ambila rehetra ary ny Rain`ireo maty dia mbola niezaka nitady ny Razana mbola tsy hita anaty Ranomasina hatry ny omaly, hoy ny fanazaana. Masiaka ny Ranomasina Ambila Lemaitso ary tsy misangy satria natao hilalaovana fotsiny, ka ny Ranomamy Canal de Pangalane no hilomanosantsika, hoy ny toromarika. Miombona alahelo, ary mirary fiononana feno ho an’ny fianankavian’ireo namoy ny ainy isika.
Toky R sy Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.