Actualités

Ambavahaditokana Atsimondrano Nangonina natao baolina lehibe ireo sachet plastika


  • Zoma 15 Jolay 2022

Mandray anjara feno amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny kaominina Ambavahaditokana, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Nentanina nasaina nanangona ireo sachet plastika miparitaka manerana ireo Fokontany miisa 6 ny ankizy madinika rehetra manerana ny kaominina ka izay nahavita baolina sachet lehibe indrindra no nahazo ny amboara. Kolo-KITRA no anarana nampitondraina io hetsika io. Nomena andro maromaro ny ankizilahy kely nandrafitra izany ka ny Fokontany Loharanombato no nibata ny amboara. Nambaran’ny Ben’ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis moa fa izany no natao dia ho fiarovana ny tontolo iainana manoloana ireo sachet plastika izay tsy mety levona raha tsy 30 taona any ho any raha sanatria tafiditra any anaty tany fambolena raha voakasika ihany koa ny resaka fanadiovan-tanana amin’ny ankapobeny. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandrafetan’ireo kilonga madinika izany baolina sachet plastika izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT