Actualités

Ambavahaditokana Ankasitrahan’ny mponina ny fanamboaran-dalana


  • Sabotsy 28 Mey 2016

Goavana ny fiovana hita eny amin’ny lalana mampitohy ny fokontany Vinany Loharanombato amin’Ambavahaditokana ankehitriny raha ampitahaina ny amin’ny zava-nisy teo aloha.

 

 Izany dia noho ny fanamboaran-dalana atao eny an-toerana ho fampandrosoana ny tanàna. Azo tsapain-tanana ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny mpiara-miombon’antoka. Tsy azo odian-tsy hita ihany koa anefa ny tohana avy amin’ny solombavambahoaka Voahangy Raharimanarivo voafidy teny Atsimondrano tamin’ny anaran’ny TIM. Manomboka mahatsapa indray ny mponina amin’iny faritra iny ankehitriny fa tena ilaina ny lalana ary tsy misy fampandrosoana vita raha tsy tomombana ny lalana. Ny ben'ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy moa dia tsy mikely soroka, tsy mandry andro aman’alina mikaroka izay fomba rehetra hampivoarana ny kaominin’Ambavahaditokana mba ho modely mihitsy amin’ny fiovana ho amin’ny tsara kokoa ka dingana iray ao anatian’izany ity resaka fanamboaran-dalana ity.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • TanĂ nan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

  • AMBOHIDRAPETO
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

ATSIMONDRANO

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

Hijery ny tohiny
FTT