Actualités

Ambatovy Voatery hampiato amin’ny asany ?


  • Alarobia 13 Martsa 2013

Tapitra omaly 12 martsa ny enim-bolana mampanan-kery ilay “permis d’opérer” na fahazoan-dalana nomena ny orinasa Sherritt International Corporation nivoaka ny volana septambra 2012 hahafahany mamokatra sy manondrana ny vokany.

 Raha ny tokony izy izany, dia tapitra omaly koa ny fotoam-pamokaran’ny orinasa Ambatovy ireo Nikela sy Kobalta trandrahany sy nahazoany alalana mitrandraka. Hatramin’izao aloha dia tsy mbola nisy ny fanalavana ilay fanomezan-dalana ho an’Ambatovy, izay tokony ho ny ministeran’ny indostria sy ekonomia no hanao izany, saingy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana moa ny minisitra dia tsy nomena alalana hanao sonia ilay fahazoan-dalana. Re izao fa niezaka nitady orinasa mpanao fanadihadiana iraisam-pirenena ny ao Ambohitsorohitra mba hanao ny fanadihadiana mikasika an’Ambatovy, dia izany orinasa “Alex Stewart International” izany. Tetsy ankilany dia mba naka ny orinasa K2, mpanao fanadihadiana, ihany koa ny Sherritt International Corporation, izay hanao fanadihadiana manokana ny orinasa “Alex Stewart International” mikasika ny maha ara-dalàna sy mampitombina azy. Raha ny omaly tontolo, dia kamiao an-jatony no nitatitra ireo kaontenera efa feno nikela voahodina haondrana eo amin’ny tsena anglisy.

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • ActualitĂ©s
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT