Actualités

Ambatovy Tsy manara-penitra ny ozinina


  • Alakamisy 07 Febroary 2013

Be dia be ny resaka momba ny orinasa Ambatovy hatramin’ny fiandohan’ny taona, indrindra tamin’ny filazan’i Andry Rajoelina nandritra ny lanonana fifampiarahaban’ny samy andrim-panjakana teny Iavoloha ny 09 janoary teo, fa kely loatra ny vola ampidiriny amin’ny kitapom-bolam-panjakana.

 Nanao fanadihadiana momba ny asa fitrandrahana harena ankibon’ny tany sahanin’ity orinasa ity koa ny vaomiera manokana fanadihadiana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita tamin’ny herinandro lasa iny. Nilaza tamin’ireo parlemantera ny orinasa fa 50 tapitrisa dolara isan-taona ny vola aloany amin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny hetra sy tamberimbidy ankoatra ny asa soa ataony eo amin’ny lafiny ara-tsosialy, hoy ny CST Rabialahy de Paul, nanao tatitry ny iraka nataon’ny vaomiera manokana. Momba ny 25 tapitrisa dolara indray dia efa lany nanatontosana tetikasam-pampandrosoana samihafa ireny, hoy hatrany Ambatovy. Milaza ho mahatsikaritra zavatra mampiahiahy koa anefa ireto mpamita iraka toy ny fakan’Ambatovy akora hafa ankoatra ny nikela sy kobalta araka ny fanamarinana ara-taratasy azo teo anivon’ny fari-piadidian’ny harena ankibon’ny tany ao amin’ny Faritra Atsinanana.

Voalaza fa maka “zinc”, “cuivre” ary “platine” koa ity orinasa ity. Na dia tsy nitsidika ny ozinina aza izahay noho ny fahateren’ny fotoana dia mahita fa tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena io ozinina io, hoy Rabialahy de Paul. “Antony ilazana izany ny fisian’ny “transformateur” ao anatiny nefa tokony hisaraka mihitsy ireo mba hisorohana ny loza. Ankoatra izay dia efa heno amin’ny faritra iray kilometatra miala ny faritry ny ozinina ny fofona avoakany nefa tsy misy fitaovana misintona ireo setroka mivoaka akory” araka ny tatitra nataon’ny vaomiera manokana. Andrasana izay valin-kafatry ny Ambatovy manoloana ity resaka ity indray. Nikasa hihaona amin’ny tomponandraikitry ny orinasa Mainland Mining, mitrandraka fasimainty, koa ny vaomiera mpanao fanadihadiana fa tsy misy hita ireto farany araka ny filazan’izy ireo. Voalaza fa tsy misy mipetraka eto Madagasikra ireo lehibe.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT